Firehetam-po amin'ny Fahamarinana. Inona no tanjon'ny batisa? Inona ny Fiangonana mandroso?
Manage episode 332179762 series 3307022
Firehetam-po amin'ny Fahamarinana.
Anio, andeha hojerena manokana ny momba ny Batisan'ny Rano sy ny atao hoe fiangonana mandroso.
Misy maro ny karazana batisa, ohatra amin'izany ny batisa asitrika anaty rano, ny batisan-jaza, ny batisa fanafahana, fanasitranana, ny batisan'ny fibebahana, ary ny batisa ankamehana. Fa inona marina moa no tanjon'ny batisa araka ny tenin'ny Soratra Masina?
Samy manana ny hevitra inoany koa ny olona momba ny atao hoe fiangonana mandroso. Raha nanontany ny hevitry ny olona maromaro izahay dia toy izao ny heviny. Karazany (1): Rehefa miakatra ny fanatitra dia mandroso ny fiangonana. Karazany (2): Rehefa maro ny mpivavaka dia mandroso izay ny fiangonana. Karazany (3): Rehefa miakatra ny fari-piainan'ny mpivavaka dia mandroso ny fiangonana. Ary samy milaza avokoa ireo fa tena tokony hanao fanentanana momba izany matetika ny mpitandrina mba hampandroso ny fiangonana.
Fa inona marina moa, araka ny lazain'ny Baiboly, no atao hoe fiangonana mandroso? Ary inona no hetsika tokony hatao mba hampandroso ny Fiangonana?
Ny raki-peo no mirakitra ny hafatra sy ny fanazavana fohy momba ny tanjon'ny batisa sy ny famaritana araka ny ambaran'ny Soratra Masina ny atao hoe "Fiangonana mandroso". Mihainoa finaritra tompoko !
---
Send in a voice message: https://podcasters.spotify.com/pod/show/fiangonan-andriamanitra-m/message
176 つのエピソード